Luke 15:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka mihoatra noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivifolo izay tsy misy tokony hibebahany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana any an-danitra amin’ny mpanota anankiray monja miala amin’ny toe-dratsiny fa tsy amin’ny olo-marina 99 tsy mila fialana amin’ny toe-dratsy.
Malagasy Bible 1865
Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka mihoatra noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivifolo izay tsy misy tokony hibebahany.
malagasy
Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.