Luke 15:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa hitany ilay izy dia mamory ny vehivavy namany sy ny mpiaramonina aminy izy ka miteny hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay drakma iray izay very.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: ‹Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa hitany, dia vorîny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: «Miaraha mifaly amiko fa ilay vola firavako very dia hitako indray!»
Malagasy Bible 1865
Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa hitany ilay izy dia mamory ny vehivavy namany sy ny mpiaramonina aminy izy ka miteny hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay drakma iray izay very.
malagasy
Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very.[Gr. drakma]