Luke 16:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny iray dia ho halany ary ny iray dia ho tiany; na ny iray dia hombany ary ny iray dia hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa: satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an’Andriamanitra no manompo ny harena.
Malagasy Bible 1865
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa; fa ny iray dia ho halany ary ny iray dia ho tiany; na ny iray dia hombany ary ny iray dia hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo.
malagasy