Luke 16:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Jesosy taminy: Mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona ianareo, nefa Andriamanitra mahafantatra ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy Izy tamin’izy ireo: «Ianareo dia mpanamarin-tena eo imason’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason’ny olombelona dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra kosa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Jesoa taminy: –Ianareo miseho ho marina eo imason’ny olona, kanefa fantatr’Andriamanitra ny fonareo. Fa izay heverin’ny olona ho ambony, dia maharikoriko eo imason’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jesosy taminy: Hianareo dia mpanamarin-tena eo anatrehan'ny olona, nefa Andriamanitra mahalala ny fonareo; fa izay zavatra heverin'ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Jesosy taminy: Mpanamarin-tena eo anatrehan’ny olona ianareo, nefa Andriamanitra mahafantatra ny fonareo; fa izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra.
malagasy