Luke 16:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izy dia naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena, nefa ny amboa kosa no avy ka nilelaka ny feriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin’ny latabatr’ilay mpanan-karena izy, fa ny alika aza no tonga ka nilelaka ny feriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satriny tokoa ny mba hivoky amin’ny sombintsombin-tsakafo latsaka avy amin’ny latabatr’ilay mpanankarena, saingy ny alika kosa no tonga nilelaka ny feriny.
Malagasy Bible 1865
ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izy dia naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena, nefa ny amboa kosa no avy ka nilelaka ny feriny.
malagasy
ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny.[Na: ary ny alika koa dia avy]