Luke 16:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niantso izy hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko! Mba iraho i Lazarosy hanatsoboka ny tendron’ny rantsantanany amin’ny rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ity lelafo ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka niantso izy nanao hoe: ‹Ry kiaky Abrahama ô! mamindra fo amiko, mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin’ity lelafo ity.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niantso izy nanao hoe: «Ry ikaky Abrahama ô, mamindrà fo amiko, iraho kely re i Lazara mba hanatsoboka ny loha fanondrony amin’ny rano hampangatsiatsiahany ny lelako, fa mijaly aho ato anaty lelafo ato.»
Malagasy Bible 1865
Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niantso izy hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko! Mba iraho i Lazarosy hanatsoboka ny tendron’ny rantsantanany amin’ny rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ity lelafo ity.
malagasy