Luke 16:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary amin’izany rehetra izany, misy tevana lehibe manelanelana antsika mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te hiala etỳ ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sady amin’ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te hiala atỳ hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka miampita atỳ.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sady izao koa, misy hantsam-be manelanelana antsika, hany ka izay te hiala etỳ hankeny aminareo tsy afa-manoatra, ary izay te hiala eny hanketỳ aminay tsy afa-miampita.»
Malagasy Bible 1865
Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary amin’izany rehetra izany, misy tevana lehibe manelanelana antsika mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te hiala etỳ ary tsy ho afa-mita hankety aminay izay eny.
malagasy
Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.