Luke 16:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niteny anakampo ilay mpitantana ny fananana hoe: Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitantanana ny fananany aho? Ny miasa tany dia tsy tratry ny aiko, ny mangataka dia mahamenatra ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakam-po hoe: ‹Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho ity? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ilay mpitandrim-pananana anakampony hoe: «Esorin’ny tompoko amin’ny asako aho ity, ka inona re no hataoko? Ny miasa tany, tsy vitako; ny mangataka, mahamenatra ahy.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niteny anakampo ilay mpitantana ny fananana hoe: Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitantanana ny fananany aho? Ny miasa tany dia tsy tratry ny aiko, ny mangataka dia mahamenatra ahy.
malagasy
Ary ilay mpitandrina ny fananana nanao anakampo hoe: Inona ange no hataoko, fa esorin'ny tompoko amin'ny fitandremana ny fananany aho? Ny miasa tany tsy tratry ny aiko; ny mangataka mahamenatra ahy.