Luke 16:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony izy hankao aminy ka nilaza tamin’ny voalohany hoe: Ohatrinona no trosan’ny tompoko aminao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: ‹Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampiantsoin’ilay mpitandrim-pananana tsirairay ireo olona nitrosa tamin’ny tompony. Ka hoy izy tamin’ilay voalohany: «Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?»
Malagasy Bible 1865
Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony izy hankao aminy ka nilaza tamin’ny voalohany hoe: Ohatrinona no trosan’ny tompoko aminao?
malagasy
Dia niantso izay rehetra nitrosa tamin'ny tompony izy hankao aminy ka nanao tamin'ny voalohany hoe: Hoatrinona no trosan'ny tompoko aminao?