Luke 16:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tompony dia nidera ilay mpitantana fananana tsy marina satria nampiseho hakingan-tsaina izy; fa ny zanak’izao tontolo izao dia kinga saina kokoa ny amin’ny karazany noho ny zanaky ny mazava.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy, noho ny zanaky ny fahazavana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noderain’ny tompony ilay mpitandrim-pananana tsy marina, satria niseho ho kinga; fa amin’ny raharaha ifanaovany avy, dia kinga kokoa ny olona miaina araka izao tontolo izao noho ny olona miaina araka ny fahazavan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny mazava.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tompony dia nidera ilay mpitantana fananana tsy marina satria nampiseho hakingan-tsaina izy; fa ny zanak’izao tontolo izao dia kinga saina kokoa ny amin’ny karazany noho ny zanaky ny mazava.
malagasy
Ary ny tompony nidera ilay mpitandrina tsy marina, satria nanan-tsaina izy; fa ny zanak'izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin'ny karazany noho ny zanaky ny mazava.