Luke 17:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nampanaovina anareo, dia mitenena hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; izay tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa ianareo: rehefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: ‹Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Torak’izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nasain’Andriamanitra hatao, dia milazà hoe: «Mpanompo tsy mendrika sitraka izahay, fa izay nataonay dia adidinay rahateo!»
Malagasy Bible 1865
Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nampanaovina anareo, dia mitenena hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; izay tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
malagasy
Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.