Luke 17:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra iray Izy dia nisy boka folo lahy nifanena Taminy, izay nijanona lavitra Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy, izay nijanona teny lavidavitra teny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha niditra tao amin’ny tanàna anankiray Izy, dia nisy marary hoditra folo lahy nitsena Azy. Nijanona lavidavitra ihany izy folo lahy
Malagasy Bible 1865
Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra iray Izy dia nisy boka folo lahy nifanena Taminy, izay nijanona lavitra Azy.
malagasy
Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.