Luke 17:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aleo anantonana vato fikosoham-bary ny vozony ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hanafintohina na dia ny iray aza amin’ireo madinika ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aleo anantonana vato fikosohan-dafarina ny vozony ka alentika any anatin’ny ranomasina izy, toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aleo izy anantonana vatobe fikoseham-bary eo amin’ny vozony ka atsipy any an-dranomasina mba tsy hitarika ny anankiray amin’ireny madinika ireny hanao ratsy.
Malagasy Bible 1865
Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aleo anantonana vato fikosoham-bary ny vozony ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hanafintohina na dia ny iray aza amin’ireo madinika ireo.
malagasy
Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza.[Na: ahodim-boriky]