Luke 17:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nihinana ny olona, nisotro, nampaka-bady, navoaka hampakarina, mandra-piavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy nampakarina ny olona tamin’izay, mandra-pigadon’ny andro nidiran’i Noà tanatin’ny sambofiara: tonga ny safodrano ary nandringana azy rehetra.
Malagasy Bible 1865
nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nihinana ny olona, nisotro, nampaka-bady, navoaka hampakarina, mandra-piavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
malagasy
nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.