Luke 17:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha manota aminao impito ao anatin’ny indray andro izy, ary mifona aminao impito kosa hoe: Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy, ka miverina impito koa manao hoe: ‹Mifona aho›, dia mamelà.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha diso aminao hatramin’ny impito anatin’ny indray andro aza ny rahalahinao, nefa miverina aminao hatrany manao hoe: «mivalo aho», dia avelao!
Malagasy Bible 1865
Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha manota aminao impito ao anatin’ny indray andro izy, ary mifona aminao impito kosa hoe: Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
malagasy
Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.