Luke 17:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy hilaza aminy kosa va izy hoe: Karakarao ny sakafoko ary misikìna ka rosoy sakafo aho, ambara-pitsahatro mihinana sy misotro; fa rehefa vita izany dia izay vao mahazo mihinana sy misotro ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy izao aza no holazainy aminy: ‹Amboary ny sakafoko, ary misikìna hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa raha efa izany vao hihinana sy hisotro ianao?›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsia, fa izao no hatao aminy: «Anamboary sakafo aho; ary misikîna hampihinana ahy mandritra ny isakafoanako. Aorian’izany vao hisakafo ianao.»
Malagasy Bible 1865
Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy hilaza aminy kosa va izy hoe: Karakarao ny sakafoko ary misikìna ka rosoy sakafo aho, ambara-pitsahatro mihinana sy misotro; fa rehefa vita izany dia izay vao mahazo mihinana sy misotro ianao?
malagasy
Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?