Luke 18:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsangana ilay Farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe: ‹Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy Poblikanina itsy akory aza;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naka toerana ilay Farisianina ka nivavaka anakampony hoe: «Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany izay mpangalatra, tsy marina sady mpaka vadin’olona, na tahaka io mpamory hetra io aza.
Malagasy Bible 1865
Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
malagasy