Luke 18:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ilay mpamory hetra kosa dia nijanona teny lavitra eny sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory fa niteha-tratra ka niteny hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: ‹Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilay mpamory hetra kosa nijanona terỳ lavidavitra, tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandondòna ny tratrany matetika sady nanao hoe: «Andriamanitra ô, mba iantrao re aho, fa mpanota!»
Malagasy Bible 1865
Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ilay mpamory hetra kosa dia nijanona teny lavitra eny sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory fa niteha-tratra ka niteny hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota!
malagasy
Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.