Luke 18:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nandre izany Jesosy dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: Amidio ny fanananao rehetra ka zarao ho an’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe: «Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary avia hanaraka Ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandre izany i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Zavatra iray no mbola tsy ampy aminao: amidio avokoa ny fanananao rehetra ka zarao amin’ny mahantra ny vidiny, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; raha efa izany, dia avia hiaraka amiko!
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nandre izany Jesosy dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: Amidio ny fanananao rehetra ka zarao ho an’ny mahantra, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
malagasy