Luke 19:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy ka ento atỳ.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nanao hoe: «Mankanesa amin’itsy vohitra aloha itsy, fa rehefa miditra ao ianareo dia hahita zanak’ampondra mifatotra tsy mbola nitaingenan’olona, ka vahao izy, dia ento atỳ.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nanao hoe: –Mankanesa amin’itsy tanàna manoloana itsy. Rehefa tafiditra ny tanàna ianareo, dia hahita zana-boriky mifatotra mbola tsy nitaingenan’olona; vahao izy ka ento atỳ.
Malagasy Bible 1865
ka nanao hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento erỳ.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan’olona; vahao izy ka ento atỳ.
malagasy
ka nanao hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento erỳ.