Luke 19:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Zakaiosy kosa dia nitsangana ka niteny tamin’ny Tompo hoe: Indro Tompoko, ny antsasaky ny fananako, omeko ho an’ny mahantra; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana dia honerako avo efatra heny izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe: «Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niato kosa i Zakeo ka niteny tamin’ny Tompo hoe: –Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako afoiko ho an’ny mahantra; ary izay zavatr’olona azoko am-pitaka, dia honerako inefatra heny!
Malagasy Bible 1865
Fa Zakaiosy kosa nitsangana ka nanao tamin'ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako omeko ho an'ny malahelo; ary raha misy zavatr'olona nalaiko tamin'ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Zakaiosy kosa dia nitsangana ka niteny tamin’ny Tompo hoe: Indro Tompoko, ny antsasaky ny fananako, omeko ho an’ny mahantra; ary raha misy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakana dia honerako avo efatra heny izany.
malagasy