Luke 2:48 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha nahita Azy izy ireo dia gaga ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao izao taminay Ianao? E izato alahelonay sy ny rainao nitady Anao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy: «Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay? Inty rainao sy izaho malahelo nitady Anao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Gaga dia gaga ny ray aman-dreniny nahita Azy, ka hoy ny reniny taminy: –Nahoana, anaka, no nanao toy izao taminay Ianao? Endrey izany tebitebinay sy ny rainao nitady Anao!
Malagasy Bible 1865
Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha nahita Azy izy ireo dia gaga ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao izao taminay Ianao? E izato alahelonay sy ny rainao nitady Anao!
malagasy
Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izay taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!