Luke 20:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo mpisorona sy mpanoradalàna ary loholona dia niteny hoe: Sanatria izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho avy izy ka handringana ireo mpiasa ireo, ary ny tanimboaloboka dia hafindrany amin’olon-kafa.» Nony nandre izany ry zareo teo, dia nanao hoe: «Sanatria izany!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho avy izy ka haringany ireo mpamboly ireo ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka. Raha nandre izany ireo mpanohitra an’i Jesoa, dia niteny hoe: –Sanatria izany!
Malagasy Bible 1865
Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo mpisorona sy mpanoradalàna ary loholona dia niteny hoe: Sanatria izany!
malagasy
Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!