Luke 20:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tamin’izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanoradalàna sy ny lehiben’ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy ireo satria fantany fa ho azy ireo no nilazany izany fanoharana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia notadiavin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna hosamborina teo no ho eo ihany Izy, satria fantany fa izy ireo ihany no nanaovan’i Jesoa izany fanoharana izany; saingy ny tahony ny vahoaka no nampiato azy indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitady hisambotra an’i Jesoa tamin’izay ireo mpahay lalàna sy lohandoha-mpisorona, satria nahatsiaro tena ho niantefan’iny fanoharana nataony iny. Saingy natahotra ny vahoaka ry zareo.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin'izany fanoharana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tamin’izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanoradalàna sy ny lehiben’ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy ireo satria fantany fa ho azy ireo no nilazany izany fanoharana izany.
malagasy
Ary tamin'izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan'ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin'izany fanoharana izany.