Luke 20:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Mosesy aza dia nanambara teo amin’ilay teny milaza ny roimemy fa hatsangana ny maty, raha niantso NY TOMPO hoe: «Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba» (Eks 3.6).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha ny hoe hitsangana ny maty dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe: ‹Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny amin’ny hoe hitsangana velona ny maty dia efa nambaran’i Mosesy ao amin’ny toko momba ny Roimemy izany, fony izy niantso ny Tompo hoe: «Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Itsehàka ary Andriamanitr’i Jakôba.»
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy aza nanambara teo amin'ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an'i Jehovah hoe Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Mosesy aza nanambara teo amin'ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an'i Jehovah hoe Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba (Eks. 3. 6).