Luke 20:46 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitandrema ianareo amin’ny mpanoradalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te hoarahabain’ny olona eny an-tsena sady tia ny toerana eny aloha ao amin’ny sinagoga sy ny toerana aloha any amin’ny fanasana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tandremo ny mpanora-dalàna, izay finaritra mitsangantsangana amin’ny akanjo rebareba, te hoarahabaina eny amin’ny kianja, tia ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagoga mbamin’ny toerana voalohany amin’ny fanasana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Mitandrema amin’ireo mpahay lalàna. Ny tiany dia ny mandehandeha eny amin’ny lala-mitafon’ny tempoly, ny ankamamiany dia ny arahabaina eny an-kianja sy ny mipetraka eny aloha ao amin’ny sinagôga ary ny maka ny toeram-boninahitra any amin’ny fanasana.
Malagasy Bible 1865
Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitandrema ianareo amin’ny mpanoradalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te hoarahabain’ny olona eny an-tsena sady tia ny toerana eny aloha ao amin’ny sinagoga* sy ny toerana aloha any amin’ny fanasana,
malagasy
Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain'ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin'ny fanasana,ary mandany ny tranon'ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.