Luke 20:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nikaon-doha izy ireo ka niteny hoe: Raha holazaintsika mantsy hoe: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niara-nisaina izy ireo nanao hoe: «Raha izao mantsy no lazaintsika hoe, avy amin’Andriamanitra, dia hovaliany hoe: Nahoana àry ianareo no tsy nino azy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niara-niady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe: –Raha lazaintsika hoe: «Andriamanitra no naniraka azy», dia hataony hoe: «Koa nahoana no tsy ninoanareo i Jôhany?»
Malagasy Bible 1865
Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nikaon-doha izy ireo ka niteny hoe: Raha holazaintsika mantsy hoe: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
malagasy
Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?