Luke 20:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ny olona Izy: Nisy olona iray namboly tamin’ny tanim-boaloboka, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ka nandeha nitoetra ela tany an-tany lavitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nilaza ity fanoharana ity tamin’ny vahoaka Izy nanao hoe: «Nisy lehilahy anankiray namboly tanimboaloboka ka nahofany tamin’ny mpiasa, dia lasa izy ka nitoetra ela tany an-tany hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitodika tamin’ny vahoaka kosa i Jesoa nanao izao fanoharana izao: –Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka ka nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa niorim-ponenana any an-tany hafa.
Malagasy Bible 1865
Dia nilaza izao fanoharana izao tamin'ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ny olona Izy: Nisy olona iray namboly tamin’ny tanim-boaloboka, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ka nandeha nitoetra ela tany an-tany lavitra izy.
malagasy