Luke 21:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha tsy mbola tonga izany rehetra izany dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ny sinagoga sy any an-tranomaizina ka hoentina eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny manampahefana ianareo noho ny anarako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa alohan’izany rehetra izany ianareo dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagoga sy an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpifehy noho ny Anarako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa alohan’izany rehetra izany, dia hosamborina sy hoenjehina ianareo, hatolotra hotsaraina any amin’ny sinagôga ary hatao am-ponja, hoentina eo anatrehan’ireo mpanjaka sy mpifehy noho ianareo miandany amiko.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha tsy mbola tonga izany rehetra izany dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ny sinagoga* sy any an-tranomaizina ka hoentina eo anatrehan’ny mpanjaka sy ny manampahefana ianareo noho ny anarako.
malagasy
Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.