Luke 21:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hitebiteby ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana; ary etỳ an-tany dia ho ory sy ho very hevitra ny firenena noho ny ranomasina hikotrokotroka sy hanonja izaitsizy.
Malagasy Bible 1865
Ary hisy famantarana eo amin'ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin'ny tany dia hisy fahorian'ny firenena amin'ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon'ny ranomasina sy ny fanonjany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hitebiteby ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany,
malagasy