Luke 21:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony antoandro dia nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; ary nony alina dia niala tao izy ka nitoetra teny amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny antoandro no nampianatra tao an-Tempoly i Jesoa, fa nony avy ao dia lasa nivoaka nandritra ny alina tany amin’ny tendrombohitra Oliva.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny antoandro i Jesoa dia nampianatra tao an- kianjan’ny tempoly; ny hariva kosa Izy nankany ivelan’ny tanàna, ka nandany ny alina manontolo teny amin’ny tendrombohitra atao hoe Analanôliva.
Malagasy Bible 1865
Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony antoandro dia nampianatra tao amin’ny tempoly Izy; ary nony alina dia niala tao izy ka nitoetra teny amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva.
malagasy
Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly hihaino Azy.