Luke 22:54 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisambotra an’i Jesosy izy ireo ka nitondra Azy ho ao an-tranon’ny Mpisoronabe. Ary i Petera dia nanaraka teny lavidavitra teny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nisambotra Azy izy ireo ka nitondra Azy tany an-tranon’ny lehiben’ny mpisorona. I Piera izany nanaraka teny lavidavitra eny ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nosamborin-dry zareo i Jesoa ary nentiny ka nampidiriny tao amin’ny tranon’ny mpisorombe. I Petera izany nanjohy lavidavitra teny ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary izy ireo nisambotra an'i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon'ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisambotra an’i Jesosy izy ireo ka nitondra Azy ho ao an-tranon’ny Mpisoronabe. Ary i Petera dia nanaraka teny lavidavitra teny.
malagasy
Ary izy ireo nisambotra an'i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon'ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.