Luke 22:58 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vetivety foana taorianan’izay dia nisy olona hafa koa nahita azy ka niteny hoe: Ianao koa mba naman’ireny. Fa hoy i Petera: Ralehilahy, tsy izy aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka kelikely dia nisy lehilahy anankiray koa nahita azy ka nanao hoe: «Ianao koa lahy naman’irony olona irony.» Fa hoy i Piera: «Ry sakaiza, tsy namany akory aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afaka kelikely, dia nisy lehilahy indray nahatsikaritra azy ka nanao hoe: –Ianao koa anisan’ireny! Fa hoy i Petera: –Tsy anisany aho, andriamatoa!
Malagasy Bible 1865
Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman'ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vetivety foana taorianan’izay dia nisy olona hafa koa nahita azy ka niteny hoe: Ianao koa mba naman’ireny. Fa hoy i Petera: Ralehilahy, tsy izy aho.
malagasy
Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman'ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.