Luke 22:59 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tokony ho ora iray no lasa dia nisy olona iray koa nanizingizina hoe: Izy io dia niaraka Taminy marina tokoa fa Galiliana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ora iray taorian’izany, dia nisy hafa nilaza tamim-pitokiana hoe: «Tena marina raha tsy namany koa ralehilahy ity, satria Galileanina izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tokony ho adiny iray taoriana, nisy lehilahy hafa koa nanizingizina hoe: –Tena niaraka tamin’io mihitsy ity rangahy ity sady Galileanina rahateo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tokony ho ora iray no lasa dia nisy olona iray koa nanizingizina hoe: Izy io dia niaraka Taminy marina tokoa fa Galiliana izy.
malagasy
Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.