Luke 23:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namingavinga Azy i Heroda sy ny miaramilany ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo marevaka ka namerina Azy tany amin’i Pilato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy, ka nony efa nampiakanjoiny akanjo fotsy sy nolalaoviny, dia naveriny tany amin’i Pilaty indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia notebahin’i Herôda sy ny miaramilany Izy ka nesoiny sady nampiakanjoiny akanjo mamirapiratra, vao naveriny tany amin’i Pilato.
Malagasy Bible 1865
Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin'i Pilato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namingavinga Azy i Heroda sy ny miaramilany ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo marevaka ka namerina Azy tany amin’i Pilato.
malagasy
Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin'i Pilato.