Luke 23:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Io Barabasy io dia natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana tao an-tanàna sy noho ny vonoan’olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Barabasy anefa dia natao an-tranomaizina, satria sendra nisy fikomiana tao an-tanàna, ka namono olona izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
(Fa ity Barabasy ity dia anisan’ny nanao fikomiana tao an-tanàna sady nahafaty olona, ka natao am-ponja.)
Malagasy Bible 1865
Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Io Barabasy io dia natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana tao an-tanàna sy noho ny vonoan’olona.
malagasy
Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.