Luke 23:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha nitondra an’i Jesosy izy ireo dia nisambotra lehilahy kireniana iray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra azy ny hazofijaliana tao aorianan’i Jesosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha nitondra Azy izy ireo, dia nisy lehilahy Sireneanina anankiray avy any an-tsaha atao hoe Simôna notanany, dia nampitondrainy ny Hazofijaliana nanaraka an’i Jesoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary raha nitondra an’i Jesoa hovonoina ireo miaramila, dia sendra an’i Simôna lehilahy sireneanina nody avy tany an-tsaha; notanany ralehilahy ka notereny hankeo aorian’i Jesoa, hanampy Azy hitondra ny hazofijaliana.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nitondra an'i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an'i Jesosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha nitondra an’i Jesosy izy ireo dia nisambotra lehilahy kireniana iray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra azy ny hazofijaliana tao aorianan’i Jesosy.
malagasy
Ary raha nitondra an'i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an'i Jesosy.