Luke 23:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nijanona teo ny olona ka nijery. Ireo loholona koa dia nandatsa hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny koa ny tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, dia Ilay voafidy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vahoaka nijanona nijery teo, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe: «Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, Ilay voafidy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vahoaka tamin’izany nijanona teo nijery. Ny manampahefana jiosy kosa nandatsa nanao hoe: –Namonjy olon-kafa Izy, ka aoka hamonjy ny tenany, raha Izy tokoa no ilay Mesia avy amin’Andriamanitra!
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia Ilay nofidina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nijanona teo ny olona ka nijery. Ireo loholona koa dia nandatsa hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny koa ny tenany, raha Izy no Kristin’Andriamanitra, dia Ilay voafidy.
malagasy
Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, dia Ilay nofidina.