Luke 23:44 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina dia nisy haizina nandrakotra ny tany manontolo ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina, dia rakotra haizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny mitataovovonana teo ho eo, dia takona ny masoandro ka rakotra haizina ny faritany manontolo ary naharitra hatramin’ny telo tolakandro izany. Nitriatra nizara roa kosa ny efitra lamba tao amin’ny Toeramasina tao an- tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina dia nisy haizina nandrakotra ny tany manontolo ka naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany
malagasy
Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany,