Luke 23:55 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny vehivavy, izay niaraka Taminy hatrany Galilia, dia nanaraka tao aoriana ka nahita ny fasana sy izay fomba nametrahany ny faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny vehivavy nanaraka an’i Jesoa avy tany Galilea dia niaraka tamin’i Josefa koa, ka nijery ny tao am-pasana sy izay fomba hametrahana ny vatan’i Jesoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo vehivavy nomba an’i Jesoa hatrany Galilea dia niaraka tamin’i Jôsefa, ka nandinika ny fasana sy ny fomba nametrahana ny vatan’i Jesoa.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny vehivavy, izay niaraka Taminy hatrany Galilia, dia nanaraka tao aoriana ka nahita ny fasana sy izay fomba nametrahany ny faty.
malagasy
Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.