Luke 24:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nitsangana i Petera dia nihazakazaka nankany amin’ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay nitranga teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Piera kosa anefa dia nitsangana nihazakazaka nankany amin’ny fasana, ary niondrika izy, fa ny lambam-paty ihany no hany hitany tao ka lasa nody, gaga foana noho ny zava-niseho tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nitsangana kosa i Petera, nihazakazaka nankany amin’ny fasana, niondrika nijery ka tsy nahita afa-tsy ny tapa-damba namehezana ny vatan’i Jesoa, ary lasa nody sady sanganehana tokoa tamin’ny zava-nitranga.
Malagasy Bible 1865
Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nitsangana i Petera dia nihazakazaka nankany amin’ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay nitranga teo.
malagasy
Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.