Luke 24:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Izy taminy: Inona izany resahinareo etỳ am-pandehanana izany? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Inona izato resahinareo etỳ an-dalana, hoy Izy taminy, no toa dia efa malahelo erỳ ianareo izany?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Jesoa taminy: –Inona izao iadianareo hevitra etỳ an-dalana izao? Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika erỳ.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Izy taminy: Inona izany resahinareo etỳ am-pandehanana izany? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
malagasy
Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.