Luke 24:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny iray, izay atao hoe Kleopasy, dia namaly hoe: Ianao irery va no vahiny mitoetra ao Jerosalema izay tsy mba mahalala ny zava-nitranga tao, amin’izao andro izao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe: «Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary namaly Azy ny anankiray atao hoe Kleôpasy ka nanao hoe: –Ianao irery ve no vahiny mandalo eto Jerosalema tsy mahalala ny zava-nitranga tao, tato ho ato?
Malagasy Bible 1865
Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny iray, izay atao hoe Kleopasy, dia namaly hoe: Ianao irery va no vahiny mitoetra ao Jerosalema izay tsy mba mahalala ny zava-nitranga tao, amin’izao andro izao?
malagasy
Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?[ Na: Vahiny mitoetra irery angaha Hianao any Jerosalema ka tsy mahalala]