Luke 24:49 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro Aho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-pahavoatafy hery anareo avy any amin’ny avo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary Izaho kosa haniraka aminareo Ilay nampanantenain’ny Raiko; fa mitoera ao an-tanàna ianareo mandra-pandrainareo ny hery avy any ambony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro hirahiko ho eo aminareo Ilay nampanantenain’ny Raiko; ianareo kosa mitoera eto an-tanàna mandra-pahahenika anareo ny hery avy any ambony.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro Aho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-pahavoatafy hery anareo avy any amin’ny avo.
malagasy
Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.