Luke 3:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy miaramila koa nanontany azy hoe: Inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mampiasa hery amin’ny tsy antony na miampanga lainga, ary aoka ho afa-po amin’ny karamanareo ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: «Ary izahay kosa, inona no mba tokony hataonay?» Dia hoy ny navaliny azy: «Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe: –Mba inona kosa no tokony hataonay? Dia hoy izy taminy: –Aza maka zavatr’olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin’ny karamanareo.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy miaramila koa nanontany azy hoe: Inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mampiasa hery amin’ny tsy antony na miampanga lainga, ary aoka ho afa-po amin’ny karamanareo ianareo.
malagasy
Ary nisy miaramila koa nanontany azy ka nanao hoe: Ary inona kosa no mba hataonay? Dia hoy izy taminy: Aza mitohatoha foana amin'olona, ary aza miampanga lainga, ary mianina amin'ny karamanareo.