Luke 3:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana; ary aza miteny anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaova asa mendrika vokatry ny fibebahana, ary aza manao anakampo hoe: ‹I Abrahama no rainay›; fa lazaiko marina aminareo fa azon’Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an’i Abrahama na dia amin’ireto vato ireto aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo. Ary aza manao anakampo hoe: «Manana an’i Abrahama ho razambenay izahay!» Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
Malagasy Bible 1865
Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana; ary aza manao anakampo hoe: Manana an'i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa mamoaza voa mendrika ny fibebahana; ary aza miteny anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay; fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
malagasy