Luke 4:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niverina tamin’ny herin’ny Fanahy nankany Galilia Jesosy; dia niely tamin’ny faritra rehetra manodidina ny lazany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nombàn’ny Fanahy Masina i Jesoa no niverina tany Galilea; ary nanomboka niely tamin’ny faritany manontolo ny lazany.
Malagasy Bible 1865
Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niverina tamin’ny herin’ny Fanahy nankany Galilia Jesosy; dia niely tamin’ny faritra rehetra manodidina ny lazany.
malagasy
Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany.