Luke 4:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elia, raha tsy nilatsaka ny orana nandritra ny telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ny tany manontolo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro no mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izao koa no ambarako tsotra aminareo: marobe ireo mpitondratena teo amin’i Israely tamin’ny andron’i Elià, raha nihantona telo taona sy tapany ny ranonorana ka nahatonga mosary lehibe manerana ny tany;
Malagasy Bible 1865
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin'ny tany rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ny Israely tamin’ny andron’i Elia, raha tsy nilatsaka ny orana nandritra ny telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ny tany manontolo;
malagasy
Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin'ny tany rehetra;[Gr.nirindrina ny lanitra]