Luke 4:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Ahoana izao teny izao! Fa amim-pahefana sy hery no andidiany ny fanahy maloto dia miala ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: «Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy, dia miala ireny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raiki-tahotra izy rehetra sady nifampiresaka hoe: –Ahoana re izany teny izany? Fa baikon’ity olona ity amim-pahefana sy hery ny fanahy maloto, dia lasa!
Malagasy Bible 1865
Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Ahoana izao teny izao! Fa amim-pahefana sy hery no andidiany ny fanahy maloto dia miala ireny.
malagasy
Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin'ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.