Luke 4:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nitsangana niala tao amin’ny sinagoga Jesosy dia niditra tao an-tranon’i Simona. Ary tratry ny tazo mafy ny rafozambavin’i Simona; koa nangataka Taminy izy ireo mba hanasitrana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nitsangana niala tao amin’ny sinagoga i Jesoa dia niditra tao an-tranon’i Simôna. Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozam-bavin’i Simôna tamin’izay, ka niangavian’ny olona Izy hanasitrana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa, dia niantrano tao amin-dry Simôna. Ary voan’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna ka niangaviana Azy hositraniny.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nitsangana niala tao amin’ny sinagoga* Jesosy dia niditra tao an-tranon’i Simona. Ary tratry ny tazo mafy ny rafozambavin’i Simona; koa nangataka Taminy izy ireo mba hanasitrana azy.
malagasy
Ary nony nitsangana niala tao amin'ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon'i Simona. Ary azon'ny tazo mafy ny rafozam-bavin'i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.